Ry Tanindrazanay malala ô

1. Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Chorus:
‖: Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay. :‖

2. Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
‘Zay sarobidy sy mendrika tokoa.

Chorus

3. Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.

Chorus

‹ back to Africa